Index

Proverbes : milalao

Proverbe 1Ankizy lasa sakaiza, ka milalao vovoka irery. [2.165]
Ankizy lasa sakaiza, milalao vovoka irery. [2.415 #1550]
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery. [2.558 #286, 1.1]
Zaza diso sakaiza : milalao vovoka irery. [2.415 #1550, 2.653 #3775]
Zaza nilaozan-tsakaiza, ka sady milalao vovoka irery no tsy misy mpiara-mitomany. [2.558 #5096]
Interprétation malgacheEnti-milaza ireo rehetra mahatsiaro ny mahasingany azy tsy eo namana, ka voatery mamalifaly ny tenany irery. [1.1]
Traduction françaiseDes enfants qui ont perdu leurs amis jouent tout seuls dans la poussière. [2.165 #1885]
Enfant qui n' a pas d'ami : il joue seul dans la poussière. [2.415 #1550]
Interprétation françaiseSe disait de ceux qui se tenaient à l'écart. [2.415 #1550]

Proverbe 2Anosizato milalao, ary ny terak’ Ambohimanarina manetsa ririnina; fararano an-tanan-dany tsy mba vatry ny olon-tsy hanana azy, fa vatran’ ny hanana azy. [2.415 #6206, 2.653 #243]
Anosizato milalao, ary ny terak' Ambohimanarina manetsa ririnina, fararano an-tanan-dany : tsy vatran' ny olona tsy hanana azy fa vatran' ny hanana azy. [2.558 #289]
Traduction françaiseProverbe analogue à la fable de la cigale et de la fourmi : rira bien qui rira le dernier. [2.415 #6206]
Interprétation françaiseAnosizato s' amuse, et les gens d' Ambohimanarina plantent le riz en hiver ; être à l' époque de la moisson alors que les provisions s' épuisent, c' est bien pour ceux qui vont avoir une récolte, mais pas pour ceux qui n' en auront pas. [2.415]

Proverbe 3Izay manan-dity mahazo vorona. [2.415 #1633, 2.653]
Izay manan-dity, mahazo vorona, ny tsy manan-katao milalao tanana. [2.558]
Traduction françaiseCelui qui a de la glu attrape les oiseaux. [2.415 #1633]
Quiconque a de la glu est en état de prendre des oiseaux. [2.974 #323]
Interprétation françaiseEn y mettant les moyens, on arrive au but que l' on poursuit ; se disait de la recherche d'une épouse. [2.415 #1633]

Proverbe 4Mahita ny akohokelinay matavy, ka andeha hilalao ry zavavy. [2.415 #919, 2.653 #1428]
Mahita ny akohokelinay matavy, ka "andeha hilalao ry zazavavy". [2.558 #1888]
Traduction françaiseOn voit que nos enfants sont dodues et on leur dit : allez vous amuser, filles. [2.415 #919]

Proverbe 5Tovolahin' Antananarivo : raha miasa mitsingina, fa raha milalao maka toerana. [2.558 #274]

Proverbe 6Tsy miandry omby lavitra ny tanàna, tsy milalao lavitra ny vohitra. [2.653 #3503]
Tsy miandry omby lavitry ny tanàna, tsy milalao lavitry ny vohitra. [2.558]

Index