|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 akoho |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Karazam-borona mpitsindroka, somary boribory vatana bontolontolo vava somary mamokotra, fohifohy elatra ka tsy afa-manidina lavitra, fiompin' ny olombelona hatramin' ny ela be noho ny henany sy ny atodiny, (akohovavy, akoholahy, vontotr' akoho, akohokely)
4 Ny teny ilazana ny feon' akoho dia ireto avy: mikoraika (ny akohovavy), mikakàka (ny akohovavy hanatody), mikoràka (ny akohovavy avy nanatody na nisy nanaitra), maneno (ny akoholahy), mikohokoho (ny akoholahy miantso ny akohovavy na ny akohovavy miantso ny zanany [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
5 the domestic fowl. [Sw. k'aka (?).]
[1.2] 6 a chicken [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7 poule
[1.54] 8 poulet [1.8] [akôho] 9 coq, poule [Sakalava-Mayotte] [1.405] |
| Ohatra |
10 "Angady no entiko andeha hatakaloko akoho.
[2.293]
11 Fa ny akohonay no novonoina ho an' I Manana. [2.472] 12 sao hendratrendratry ny akanga tsara soratra lahy ka tsy nahatsiaro ny akoho niandry ao an-trano [2.131] |
| Haiendriteny |
|
| Voambolana | 14 Haibiby: vorona |
| Kamban-teny rehetra | 15 Fikambanana 92 amin' io teny io |
| Ohabolana | 16 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | akoho, 17 hokoa |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08 |
|