|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  mandia
Fototeny  2 dia
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Manitsaka, mandeha amin' ny...: Tsy hahazo mandia ny faritanin' Antananarivo io olona io mandritra ny dimy taona
5 Mamakivaky: Mandia taon-tsarotra izao tontolo izao fa saika misy korontana hatraiza hatraiza
6 Mandrefy amin' ny tongotra: Mandia ny lavan' ny trano Rabe
7 Mihatra: Mandia ny voalazako omaly fa indro tokoa àry famisy rivo-doza, hono, mananontanona ny morontsiraka atsinanana
8 Mivaly: Mandia ny fikelezanao aina fa afaka soa aman-tsara ianao
9 Mifanojo: Mandia ny hevitro lahy ny hevitrao!
10 Tanteraka, mifanaraka amin' ny...: Salama daholo ny mponina ao Mangarivotra, mandia tokoa lahy ny anaran' io tanàna io
11 Teny misy ifandraisany amin' ny Mandia: manitsaka, mandeha, mizotra, mivikiviky, mijaingijaingy, mijongijongy, mamikavika dia, mamilafila, mamindrafindra, manevika, mananika, miakatra, miorika, midina, mivalana, manao hitsin-dalana, manao toratady, manao dian' omby jamba, manara-drenirano, miraparapa, miparapaingo, mivarina an-kady, mifatratra an-kady, mianjera an-tevana, manao rebik' ondry, manao raban-tsahona, manao fitandririnina, mijaikojaiko, mitsaitsaika, mirodorodo, migodongodona, manao findrari-tsokina, manao dia mianotra, mihemotra, miantsorona, miantsoro-mianotra, mihazo, momba, mandalo, manapaka, manitsy, mamakivaky, manavatsava, mikatsakatsaka, manivaka, mivily, misondrovaka, mody mandry, mitampody, manao tampody fohy, manao lavalina, mandry an-dalana, manorin-day, manorindasy, miantsona, miondrana, mita, miampita, midika, mitody [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to tread, to step; to measure with the foot, to fall in with one's plans, to coincide with, to follow, to hit on the same idea, to correspond [1.2]
13 to tread on; to go on a way [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 Mesurer par pieds
15 Entrer dans, parcourir
16 fig. Etre payé de retour, se réaliser, s'accomplir, correspondre, coïncider: Vokatra ny varinareo ka mandia tokoa ny fikelezanareo aina (Vous avez une belle récolte de riz et votre travail est payé de retour) ~ Mandia ny voalazako omaly fa tonga hianao (Ce que j'ai dit hier se réalise car vous arrivez) ~ Mandia tokoa ny anarany (Le sens de son nom s'est réalisé tout-à-fait) ~ Mandia ny hevitro ny anao (Votre idée coïncide avec la mienne) [1.3]
17 parcourir, marcher sur [1.8]
Ohatra  18  Tsy tongotro mandia alanana. [2.69#]
19  Tsy maintsy mandia ny tanin-drazako ialahy leiroa. [2.470]
20  Tsy tongotro mandia alanana, tsy tanako mandray joria; [1.406#]
Haiendriteny 
21  Ny ankehitriny :
22  Ny lasa :
23  Ny hoavy :
24  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  25  Fikambanana 12 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)26  mandia
Sokajin-teny  27  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  28 manitsaka, manjo [Bara] [1.78]

Fivaditsoratra  29 madañy, 30 madina, 31 mañady, manady, 32 manday, mandia, 33 manida

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08