|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  miraparapa
Fototeny  2 raparapa
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 mipelipelika tsy misy filaminana [Bara] [1.78]
5 Mandeha na mamindra tsy mahita izay hodiavina ka mitsapatsapa; mandeha amin' ny maizina: Maty tampoka ny jiro ka niraparapa eran' ny trano aho
6 Mandeha-mizotra fotsiny amim-pahamaikana ka tsy mihevitra izay ho vokany, mandeha anjamba mitotototo, manao zavatra tsy voakendry: Niraparapa tany amiko izy taorian' ny nahavoazan-janany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 to grope for or at things in the dark; to stagger as one groping about. [1.2]
Haiendriteny 
8  Ny ankehitriny :
9  Ny lasa :
10  Ny hoavy :
11  Filaza mandidy :
Mpanahaka  12  miapanapana, 13  mipampana, 14  mipapapapa, 15  mipempena, 16  mitsapatsapa

Teny iditra (2/3)17  miraparapa
Sokajin-teny  18  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  19 dodona dia dodona [Sihanaka] [1.78]

Teny iditra (3/3)20  miraparapà
Fototeny  21 raparapa
Sokajin-teny  22  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miraparapa [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  [1.2]

Fivaditsoratra  miraparapa, miraparapà

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/20