Explications en malgache |
6 Afaka aina, tsy velona intsony: Maty omaly ilay sakanay be volo
7 Voakapoka mafy: Matin' i Dada aho raha manao izany
8 Tsy afa-miasa tsy afa-mihetsika, tsy mandeha simba: Maty ny tongony ilany ka mandringa izy ~ Maty ny famantaranandroko ~ Maty feo ny anao fa nikiahiaka loatra
9 Tsy mirehitra intsony, milentika, tsy hita intsony (afo, masoandro, volana): Omeo afo kely aho fa maty ny sigarako ~ Efa maty ny masoandro
10 Lany, very, resy an-doka: Maty ariary zato tamin' ny loka izy
11 Tsy ampiasaina intsony, nofoanana, tsy andehanana intsony, tsy miasa intsony: Lalana efa maty izany ~ Fiteny maty izany
12 Asiana izaitsizy: Matin' ny hafanana aho izany
13 Tia zavatra efa izaitsizy; entanin-javatra mihoa-pampana: Matin' ny filan-dera ny anao ka nandray ny kihony ~ Matin-kambo ~ Matimatim-boninahitra [1.1]
|