Index

Proverbes : hazakazaka

Proverbe 1Ala nenin' ny mandositra ny hazakazaka mafy. [2.558 #105, 2.653 #87]

Proverbe 2Aza manao hazakazaka arahin-tosika. [2.165 #437, 2.653 #457]
Traduction françaiseNe poussez pas encore quelqu' un qui court, pour le faire tomber plus facilement! [2.165 #437]

Proverbe 3Fanala hazakaza-dRenitsiavahana : ny lasa aloha indray no tezerany. [2.415 #5597, 2.653 #905]
Fanala hazakazak' i Renitsiavahana ka ny lasa aloha indray no tezerana. [2.558 #1077]
Traduction françaiseConcours à la course de Renitsiavahana : c' est contre ceux qui sont en avant qu' elle est en colère. [2.415 #5597]

Proverbe 4Hazakazaka ambany farafara ka samy manala izay ho afany. [1.1]
Hazakazaka ambany farafara: samy manala izay ho afany. [1.1]
Interprétation malgacheToe-javatra manahirana tsy misy hifanam-Piana fa samy miezaka manao izay vitany avy. [1.1]
Tsy azo ihazakazahana any ambany farafara ka samy manao izay hahatongavany haingana, na handady na hikisaka: entimilaza ny fanaovana ny fiezahana sy fahaizana rehetra mety ho vita amin' ny toedraharaha sarotra iray. [1.1]

Proverbe 5Hazakazaka am-piakarana, ka izay tonga aloha dia mianina. [2.165 #1247]
Traduction françaiseQuand on court en faisant une montée, celui qui arrive le premier en haut s' arrête (il est essoufflé). [2.165]

Proverbe 6Hazakazaka an-kodivirana ka samy manala izay ho afany. [2.558 #1291]
Hazakazaka an-kodivirana: samy manala izay ho afany. [2.653 #1039]

Proverbe 7Hazakazaka tsy tenan-dia; miada-mora mahafaka ny lavitra. [1.147 #H18]

Proverbe 8Hazakazaky ny osa : mandeha ben’ andro. [1.147 #H19]

Proverbe 9Raha ny hazakazaka no nahazoan-karena, dia nanam-be ny alika. [2.558 #236]

Proverbe 10Tsy hisy hanoarana, ohatra ny vikina ambany farafara. [2.653]
Tsy hita hanoarana, ohatra ny hazakazaka ambany farafara. [2.558]
Tsy hita hanoharana hoatry ny vikina ambany farafara. [2.415 #5780]
Traduction françaiseSans comparaison, comme faire un saut sous le lit. [2.415 #5780]
Interprétation françaiseAutre sens : chose impossible. [2.415 #5780]

Proverbe 11Tsy ny dia manendrika no atao, fa izay hazakazaka an-tsena foana no aseho. [2.653 #3559]
Tsy ny dia manendrika no atao, fa izay hazakazaka an-tsena no hatranga. [2.558 #310]

Index