Entrée |
hasina
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin' ny fanahy na olona
na zavatra na toerana sasany, ka mahatonga azy hohajaina, hankatoavina, hatahorana.
Ohatra: matahotra ny hasin' ny Zanahary sy ny razana ary ny Vazimba ny ntaolo, ka manaja azy ireo fatratra
sy mivavaka taminy. Mbola misy tavela saiky eran' ny Nosy ny atao hoe tany masina sy hazomasina sy
loharano masina ary biby masina koa. Samy ninoana sy natahorana ny hasin' ny andriana, ny ody ny ozona
sy ny tsodrano [Ravelojaona 1937]
|
| Hery ananan' ny zavatra iray: Misy hasina mahasitrana aretina maro ity hazo ¶ Toetra ambony tsy azo tsiratsiraina, manome hery na fahefana mihoatra ny toetran' olombelona: Manan-kasina ny tanindrazana ~ Ninoan' ny Malagasy ny hasin' ny Mpanjaka ¶ Haja, hamendrehana ananan' ny tsirairay: Maty hasina aho fa nodikain' ilay iny ny lohako ¶ Hery, zo, sata, fandaitra [Rajemisa 1985]
|
Traduction anglaise | "mana" or sacred power; sanctity; virtue [Hallanger 1973]
|
Traduction française | vertu, force, puissance, la grâce, propriété naturelle ou surnaturelle, efficacité, vertu attachée à un objet, ce qui rend digne de respect [Abinal 1888]
|
| vertu ou puissance mystique ou surnaturelle; sainteté [Hallanger 1974]
|
Vocabulaire |
Dérivations |
Synonymes | ~ ~ ~ |
Exemples | Nasain'Ilaidama nandoa hasina Andriambola, dia afaka. [Rahajarizafy: Kabary, page 67]
|
Citations |
Toponymie |
|
|
Entrée |
hasina
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | sira: Tsy ampy hasina ny laoka [Rajemisa 1985]
|
Traduction française | sel, saveur, goût [Abinal 1888]
|
|
Entrée |
hasina
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | Vola na zavatra hafa atao fanomezana amin' ny fotoana na toe-javatra sasantsasany: Hasin-jaza, hasin-tanana ¶ Vola tsy vaky atolotra ny mpanjaka amin' ny fandroana ho fankatoavana ny maha-andriamanjaka azy: Niakatratany an-drova nanolotra ny hasina ho an' ny Mpanjaka isam-pirenena ny vahoaka ¶ Vola nomena ny mpanjaka raha nisy raharaha toy ny fifampivarotana, ny fananganana na fanarianjaza... teo amin' ny fokonolona: Vola roa karazana no no-m en' izay nanan-d raharaha natao teo amin' ny fokonolona, dia ny hasina ho an' ny Andriamanjaka ary ny orimbato ho an' ny fokonolona [Rajemisa 1985]
|
Traduction anglaise | a ceremonial gift [Hallanger 1973]
|
Traduction française | cadeau rituel [Hallanger 1974]
|
Dérivations |
Mots composés, titres, noms |
|
Articles |
|
Entrée |
hasina
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | Fanolanana zavatra, toy ny kofehy, tady; fampihevingevenana, fandrotsirotsiana [Rajemisa 1985]
|
Dérivations |
|
Entrée |
hasina
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | Ny ilany iray amin' ireo toa efitrefitra mielakelaka na misaratsaraka amin' ny zavatra iray: Hasim-boasary [Rajemisa 1985]
|
Dérivations |
|
Entrée |
hasina
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | Hazo tsy dia lehibe loatra, lava somary etiety velarana ny raviny, izay mitangorona eo amin' ny toerana iray, ka misandrahaka manodidina ny vatany (Dracoena augustofolia). Hazo fahita teo akaikin' ny fasam-bazimba na tamin' ny tanàna nonenan' ny Andriana fahiny koa ny hasina [Rajemisa 1985]
|
Vocabulaire |
Nom scientifique | Dracaena augustofolia |
|
Entrée |
hasina
|
Partie du discours | nom
|
Traduction anglaise | [Betsileo]
the cotton plant or cotton. Same as landihazo
[Richardson 1885]
|
|
Entrée |
hasina
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | [Tanala]
harikivy: tsy tamitamy ny hasiñ'io voangy io (tsy zaka ny harikivin'io voasary io) [Rakotosaona 1975]
|
|
Entrée |
hasina
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | [Tambahoaka]
vidy, vidiny [Rakotosaona 1975]
|
|