|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  alatsinainy
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 
4 (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa).
5 (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.
6 
7 -- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty --
8 ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa:
9 "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika
10 Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana,
11 fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha,
12 na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia
13 mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.
14 
15 Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano,
16 ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany
17 amin'ny Alatsinainy.
18 
19 Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma --
20 noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona,
21 no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.
22 
23 Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra
24 afa-tsy mavo amin'io andro io.
25 
26 Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera,
27 no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [1.10]
28 
29 andro faharoa amin'ny herinandro.
30 Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy,
31 andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona;
32 ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra
33 no fanao alatsinainy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  34 Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [1.2]
35 Monday. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  36 le lundi. [1.3, 1.8]
37 lundi. [1.5]
38 lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [Tanala] [1.6]
Ohatra  39  Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
40  Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Voambolana  41  Fotoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Kamban-teny rehetra  50  Fikambanana 3 amin' io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  51  Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)52  Alatsinainy
Singan-teny  53 alatsinainy
Sokajin-teny  54  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  55 
56 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  57 the place of holding Monday's market. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  58 noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [1.3]
59 marché du lundi. [1.5]
Voambolana  60  Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  61 alatsinainy, Alatsinainy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17