|
|
|
|

Entrée (1/3)1  alakamisy
Partie du discours  2  nom
Vocabulaire  3  Temps
Explications en malgache  4  (Arabo El-khamis, na Al-chamisu: fahadimy; Soehily Alhamisi).

Alakamisy no andro voalohany tamin'ny razana; andron'Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana; andro fidin'ny Andriana hisehoana amin'ny ambanilanitra. Voalaza ho tenin-dRafohy, mpanjakan'Alasora, sahabo ho 400 taona lasa izay, ny hoe: "Anao ny Alakamisy, Andriamanelo, fa Andriamatoako ianao, ka ianao no manjaka voalohany". Alakamisy no nisehoan'Andriamanelo; Alakamisy no nihadiana ny hady voalohany, teo Alasora. Dia hita tantara toy izany: samy nanaja ny Alakamisy, Ralambo, Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina.

Misy toy ny petaka toko na tandrifin-drahona ihany ny an'ny ntaolo: nalainy ara-bakiteny ny hoe Alakamisy: maka (malaka) sy misy: andro tsara, andron'Andriana, mampisy fanambinana; ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy; sady andro ratsy koa anefa: mampisy loza -- fady dia fady ny mandevina Alakamisy, mbamin'ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny Alahady koa tsy fandevenana -- ankevitry ny noho ny teny hoe hady, ka mampihady fasana lava. Ny T. dia be no mifady Alakamisy, tsy miasa.

Ny olona teraka Alakamisy dia natao hoe Ikamisy, na Rakamisy, Andriamisy, Andrianisa (?) (isa, voalohany), raha vahoaka; fa ny andriana kosa: Ramisa, Ramisavola, Ramisamanjaka, Ramisarivo. -- Ny faditry ny andro Alakamisy dia ny akorandriaka. Raha ohatra la Alakamisy no ahatsinanan'ny Alahasaty, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa tsy manja mena amin'io andro io. -- Dia ao ilay fady, tandreman'ny ntaolo, tsy atao amin'ny andro ahaterahana: tsy mihety, tsy manala hoho. [1.10]
5  andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandry zoma alevina. [1.1]

Explications en anglais  6  Thursday. [Ar. Al-chamisu - Fifth.] [1.2]
7  Thursday [1.7]
Explications en français  8  jeudi [1.3, 1.8, 1.5, 1.14]
9  Amin'ny alakamisy (À jeudi)
10  Alin'ny alarobia hifoha alakamisy (La nuit du mercredi) [1.5]
11  jeudi [ar.: Kamsa, cinq, al-Kamis, jeudi] [Tanala] [1.6]
Explications en italien  12  giovedi [1.18]
Explications en allemand  13  Donnerstag. Amin'ny alakamisy faha...: am Donnerstag, dem/den... Ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy: die Nacht von Mittwoch auf Donnerstag. [1.56]
Exemples  14  Tamy ny andro alakamisy 1 Alahamady, 1 July 1886, nonitokanana ny trano fiangonana ao Anjanahary. [2.59]
15  Randriampeno dia nangataka mba hatao amin'ny iray volan'ny alakamisy ho avy, ary ny ray aman-dreniny nanaraka izany; [2.324]
Toponymes 
Hypéronyme 
Proverbes  17  Proverbes contenant le mot alakamisy
Tableaux et planches  18  Mesure du temps

Entrée (2/3)19  alakamisy
Partie du discours  20  nom
Vocabulaire  21  Botanique: plantes médicinales
Explications en malgache  22  hazo anaovana fanafody Crateva excelsa.
23  Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina(Burasaia nigrescens). [1.1]
Explications en anglais  24  a tree used in house-building. It is said to be brought from the forest only on Thursdays, hence its name. Chips of the wood are used as a remedy for colic and indigestion.
25  Probably the same as the preceeding. Used by the Sakalava as a medecine for pains in the head. [1.2]
26  Burasaia crateva [2.515]
Explications en français  27  arbre dont on fait des remèdes. [1.3]
28  nom d'une plante (?), écorce et feuilles utilisées en tisane contre les coliques. [Tankarana] [1.19]
29  (de l'arabe al - chamisu = le cinquième, désigne le 5e jour de la semaine, c'est-à-dire le jeudi). C'était le jour réservé à honorer le souverain, les gens de caste noble, et considéré comme faste. Les plantes qui portent ce nom sont considérées comme de puissants fortifiants, donnant le pouvoir moral de surmonter les obstacles. Plusieurs d'entre elles sont effectivement riches en alcaloïdes. Ce sont principalement : [Bezanozano]
30 
Schismatoclada psychotrioides Baker (Rubiaceae).
31  Euodia chapelieri Baillon (Rutaceae).
32  Crateva excelsa Bojer (Capparaceae).
33  Burasaia nigrescens Capuron Nom. In Sched.(Menispermaceae).
34  Crotalaria cytisoides Roxb. ex DC. (Fabaceae). [1.196]
Exemples  35  alakamisy, asaina ny fakany, ary sotroina amy ny rano [2.48]
Nom scientifique 

Entrée (3/3)39  Alakamisy
Mots élémentaires  40  alakamisy
Partie du discours  41  nom propre (toponyme)
Vocabulaire  42  Géographie: agglomérations
Explications en malgache  43  Raha nanorina ny tsena voalohany teto anivon'ny riaka Andrianampoinimerina dia ny tsena Alakamisin' Ambohimanga no voalohany indrindra, dia Anjoman'Antananarivo no faharoa, Asabotsin'i Namehana no fahatelo, Alahadin'i Lanifasana no fahefatra, Alatsinainin'Andranovintana (Alatsinainin'Ambohipoloalina ankehitriny) no fahadimy, Talatan'i Volonondry no fahenina, Alarobian'Amboanjobe no fahafito -- ireo tsena fiton'Andrianampoinimerina ireo no toy ny tsangambaton'ny filaharan'ny andron'ny ntaolo. [1.10]
44  anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explications en anglais  45  the place where Thursday's market is held. [1.2]
Explications en français  46  les marchés du jeudi: l'emplacement du marché [1.3]
47  marchés du jeudi. [1.5]
Exemples  48  Ny orimbato hoe Manganiha ny eo avaratr' alakamisy, sy ny orimbato eo Antsahamasina [2.48]
Tableaux et planches  49  Liste complète

Anagrammes  50  Alakamisy, alakamisy, Alakamisy, alakamisy

Mis à jour le 2024/10/14