|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 mafana |
| Fototeny | 2 fana |
| Sokajin-teny | 3 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Tsy mangatsiaka, tsaroana fa somary mahamay: Efa mafana ny rano
5 Mahatonga ny tena hahatsiaro hafanana, madisadisa ohatra ny tenehina: Mafana izany andro izany 6 Mitana hafanana, manome hafanana: Akanjo mafana 7 Sady betsaka no mihetsiketsika fatratra: Mafana ny asa atỳ avaratra atỳ, izany! 8 Enti-milaza olona mampiseho fahazotoana, fahavitribitrihana amin' ny asa ataony (matetika anefa ny hoe mafana fo no ampiasaina amin' itỳ hevitra farany itỳ): Mafana Rangahy iny rehefa miasa [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
9 warm, hot
[1.2, 1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
10 chaud; qui a chaud
[1.8] |
| Ohatra |
11 sakafo mafana miditra an-kibo ihany no odiny.
[2.470#39]
12 Nohanina ihany, saingy nalona ela tami' ny rano mafana vao laitry ny nify. [2.472#128] |
| Sampanteny |
|
| Mpanahaka | 14 afa-dranompanala, 15 mafotaka, 16 mahalala tondro, 17 mahamay, 18 mahavotsotra, 19 mampitsovaka, 20 mandevy, 21 mandoro, 22 manevoka, 23 mangotraka, 24 mangotraka, 25 marimaritra, 26 matimaty, 27 mavaivay, 28 midaindaina, 29 migaingaina, 30 mivadibadika, 31 ngorovitsika |
| Fikambanana | 32 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 20 misy ny teny how mafana |
| Ohabolana | 33 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 34 Mafana |
| Singan-teny | 35 mafana |
| Sokajin-teny | 36 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana] |
| Voambolana | 37 Haitoetany: tanàna |
| Fivaditsoratra | 38 famana, Mafana, mafana, 39 manafa |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21 |
|