|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  alatsinainy
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.
4 -- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.
5 Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.
6 Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.
7 Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.
8 Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [1.10]
9 andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [1.2]
11 Monday. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 le lundi. [1.3, 1.8]
13 lundi. [1.5]
14 [Tanala] lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [1.6]
Ohatra  15  Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470#101]
16  Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472#57]
Voambolana  17  Fotoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Kamban-teny rehetra  27  Fikambanana 3 amin' io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  28  Fizaran' andro

Teny iditra (2/2) 29  Alatsinainy
Singan-teny  30 alatsinainy
Sokajin-teny  31  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  32 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  33 the place of holding Monday's market. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  34 noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [1.3]
35 marché du lundi. [1.5]
Voambolana  36  Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  alatsinainy, Alatsinainy

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/06