|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 dihy
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana.
4Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka. [1.2]
6a dance, dancing. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7danse. [1.3#102, 1.8]
8sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau.
9le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point. [1.3#102]
Ohatra  10 Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny. [2.245]
11 Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy? [2.5]
12 Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy. [2.313]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Tovy hevitra  22danise, tsinjaka
Mpanahaka  23 afindrafindrao, 24 dada, 25 dihysoroka, 26 jaiko, 27 sahoby, 28 salegy, 29 soamaroroka, 30 soratra, 31 totorebika, 32 tsaramiera, 33 tsinjaka, 34 tsipisandry, 35 velatanana
Kamban-teny rehetra  36Fikambanana 12 amin' io teny io
Ohabolana  37 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)38 Dihy
Singan-teny  39dihy
Sokajin-teny  40 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  41 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  42Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsiratra manontolo  43 Ritsodritso-baliha telo,
44 gobogobok' ampongatapaka,
45 lokanga dimy indray dinidy
46 sy sodin-taolana tsara loaka.

47 Io misonenika Ratovovavy,
48 miakanjo manga marain-droa !
49 Ny lamba valaka mavokely;
50 raozy gasy ao anaty volo.

51 Tsoakam-bero sa bararata
52 mihararetra any amoron' ala ?
53 Sidintsidin' ny andro meva,
54 sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

55 Io misonenika Ratovovavy,
56 moana tahaka ny Fiadanana;
57 valiha telo, ampongatapaka,
58 lokanga, sodina no indray henony.

59 Fa injay ny molony mangovingovitra,
60 ipololoran'ny nofinofy;
61 tsy toha intsony ka zary kalo,
62 dia zary hira nony efa avy eo.

63 Mba hontsa koa Ravaviantitra,
64 ka io mirotsaka mba handihy,
65 mitari-joro ny ila sikiny,
66 dia toy ny androny mirefarefa.

67 Tsy kalokalo na hirahira
68 no mampifelana izato endriny,
69 ranomaso no mamonto azy,
70 mahatsiaro ny maty rehetra...

71 Mahatsiaro... Toa fenomanana
72 efa ho rendrika tsy ho hita.
73 inty mihintsana ny lohataona
74 ka zary fasana ravi-maina...

75 Dia mifanojo ny loha tondro,
76 ny tondro mihantsin-dRatovovavy
77 sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
78 samy tanteraky ny hazavana.

79 Mifanojo ka toa tetezana
80 ifanohizan' ny alin-kely
81 efa foy ery an-tendrombohitra,
82 sy ny andro maneno akoho !

Fivaditsoratra  83 Dihy, dihy, 84 hidy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/06