|
|
|
|

Entrée (1/2)1 alatsinainy
Partie du discours  2 nom
Explications en malgache  3 (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.

-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.

Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.

Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.

Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.

Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [1.10]
4 andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. [1.1]

Explications en anglais  5 Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [1.2]
6 Monday. [1.7]
Explications en français  7 le lundi. [1.3, 1.8]
8 lundi. [1.5]
9 lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [Tanala] [1.6]
Explications en italien  10 lunedi [1.18]
Explications en allemand  11 Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den... [1.56]
Exemples  12 Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
13 Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Vocabulaire  14 Temps
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Tous les mots composés  243 combinaisons de ce mot
Tableaux et planches  25 Mesure du temps

Entrée (2/2)26 Alatsinainy
Partie du discours  27 nom propre (toponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  28 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explications en anglais  29 the place of holding Monday's market. [1.2]
Explications en français  30 noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [1.3]
31 marché du lundi. [1.5]
Vocabulaire  32 Géographie: agglomérations

Anagrammes  33 alatsinainy, Alatsinainy

Mis à jour le 2025/11/02