|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 milaza |
| Fototeny | 2laza |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4manambara hevitra na zava-miseho na baiko na hafatra amin' ny alalan-ny fitenenana; manambara, mitantara, mandidy, manafatra, miresaka, mampahafantatra, mampahalala, manome teny, manome baiko, amin-ny alalan-ny fitenenana. Indro izaho milaza teny soa mahafaly aminareo....
[1.10] 5mampahalala zavatra amin' ny alalan' ny teny na soratra: Hilaza zava-baovao mahatalanjona aminao aho. 6maneho ny hevitry ny tena: Nilaza izy fa ho tonga. 7mamoaka ampahibemaso: Nilaza ny lehiben' ny governemanta fa izay tratra mangalatra omby dia hofaizina mafy. 8mitory, manambara: Efa mahay mandainga Ikotokely; milaza izany fa efa vory saina ny adalalahy. 9mitantara: Latsa-dranomaso izy nilaza ny zava-nitranga tamin' ny 13 mey. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
10to tell, to say, to inform; to report, to tell off, to refer to.
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
11dire.
[1.3, 1.5] 12publier, annoncer, déclarer, signifier, narrer. [1.3] |
| Ohatra |
13 Ary tandremo sao mandositra à, milaza aho izany
[2.470]
14 milaza ianao fa tia ahy, hoy izy nony ela [2.471] 15 Misy olona milaza fa ny asam-pambolena dia sahala amin' ny asa rehetra ihany [2.472] |
| Haiendriteny |
|
| Mpanahaka | 20 mamakyvolana, 21 mamboraka, 22 mamisavisa, 23 mamosaka, 24 manaboraka, 25 manaotsyliantsofina, 26 maneho, 27 mitanisa, 28 mitantara, 29 mitory, 30 miventy |
| Kamban-teny rehetra | 31Fikambanana 9 amin' io teny io |
| Ohabolana | 32 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 33 milazà |
| Fototeny | 34laza |
| Sokajin-teny | 35 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao milaza [Fitanisana] |
| Ohabolana | 36 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 37 milazà, milaza |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/06 |
|