Entrée | fanahy (hahy) | ||||||||
Partie du discours | nom | ||||||||
Explications en malgache | Fomba entina manahy na mamelatra zavatra amin' ny toerana talaky andro mba ho maina: Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka [Rajemisa 1985] | ||||||||
Entrée | fanahy (ahy) | ||||||||
Partie du discours | nom | ||||||||
Explications en malgache | Fomba entina manahy ¶ Zavatra ao amin' ny olombelona entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy: Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango ¶ Zavatra mampiavaka ny olona amin' ny biby: Ny fanahy no olona. ¶ Saina mieritreritra, fahendrena: Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany. ¶ Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran' ny saina sy ny sitra-po ao amin' ny olombelona izay misaraka amin' ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin' ny fiainana any an-koatra: Hivavaka ho an' ny fanahin' ny maty isika. ¶ Toetra: Manao fanahin-jaza. ¶ Fahasalamana: Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka: olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano. [Rajemisa 1985] | ||||||||
Explications en anglais | the mind, the seat of thought, anxiety, or care; care for, thoughtful concern; tact, disposition, character, intelligence, knowledge; the soul, the immortal part of man. See nahy. [Richardson 1885] | ||||||||
the spirit, the soul; an attitude or temperament [Hallanger 1973] | |||||||||
Explications en français | esprit, âme; attitude ou tempérament [Hallanger 1974] | ||||||||
Vocabulaire | Philosophie | ||||||||
Morphologie |
| ||||||||
Synonymes | iniana ~ nahy ~ satry | ||||||||
Mots composés, titres, noms |
| ||||||||
Citations | Proverbes contenant le mot fanahy | ||||||||
Articles | Randzavola: fanahy ao amin' ny Baiboly | ||||||||
Entrée | fañahy | ||||||||
Partie du discours | nom | ||||||||
Explications en malgache | [Bara] fitaka [Rakotosaona 1975] | ||||||||
Morphologie |
| ||||||||
Entrée | Fanahy | ||||||||
Partie du discours | nom propre (biblique) | ||||||||
Vocabulaire | Ecritures Saintes | ||||||||
Exemples | Velona amin'ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny Fanahy [Baiboly: 55:005:025/Galata 5:25..] | ||||||||
Mis à jour le 2020/07/31 |
![]() |