Entrée (1/2) | 1 adala |
Partie du discours | 2 adjectif |
Explications en malgache |
3 Enti-milaza olona very saina, simba na marary saina ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala [1.1] 4 Tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin' ireo vaventiventy novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory [1.1] 5 Tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka [1.1] 6 Sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) naraha miteny (vava): Mbola adala vava ity zaza ity; raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny [1.1] 7 Matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan' adin' akoholahy ny zanako lahy aivo [1.1] 8 Teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin' ny tena, izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian' ny adala holazaina tamin' ireo teny ireo [1.1] |
Explications en anglais |
9 Foolish [1.2, 1.7] 10 Unwise, imprudent, ignorant, infatuated; a fool, an idiot, a lunatic, one destitute of reason. [1.2] 11 Crazy [1.7] |
Explications en français |
12 Fou, sot [1.3, 1.8] 13 Aliéné, privé de raison, comme un enfant en bas âge: Adala tokoa izy, ka nafatotry ny havany (Il est vraiment fou, et il a été attaché par ses parents) [1.3] 14 Insensé, imbécile, simple: Adala hendry izy (Il est sot et cependant avisé en certaines choses) ~ Tsy adala tsy hendry izy (Il n'est ni fou ni sage) ~ Mirenireny lava io adala io (Cet imbécile rôde sans cesse) ~ Tsy tokony hambakaina ny adala (Il ne faut pas tromper les gens simples) [1.3] 15 Embarrassé, ignorant: Adala fandeha izy (Il a une démarche embarrassée, ridicule) ~ Adala fiteny, adala vava izy (Il est embarrassé pour parler, il ne sait pas s'exprimer) [1.3] 16 Passionné pour, se dit parfois de quelqu'un qui excelle en bien ou en mal: Adalan-dalao izy (Il est passionné pour le jeu) [1.3] |
Exemples |
17 Eny, adala tokoa aho, fa ny hitaona azy handositra no tena anton-diako tamin' iny hariva iny. [2.471] 18 Izaho angaha heverin' I Feno ho adala ! [2.472] 19 izaho ity koa no adala. [2.470] |
Dérivés |
|
Analogues | 25 Very saina, foka, mivadika atidoha, mivadika lakoraika, mivadika ondrana, manary lamba, manenjika alika, mihomehy rindrim-baky |
Mots composés |
|
Phytonymes |
|
Proverbes | 39 Proverbes contenant le mot adala |
Entrée (2/2) | 40 adalà |
Partie du discours | 41 impératif de l'adjectif adala |
Explications en français |
42 Sois fou: Raha tsy zaka anarina hianao, adalà any amin' izay alehanao any (Puisque tu n'écoutes pas les admonestations, porte ailleurs ta sottise) [1.3] |
Tableaux et planches |
43 Mots classés par parties du discours |
Mis à jour le 2023/03/28 |