Entrée mipetraka (petraka)
Partie du discours verbe actif
Explications en malgache  [Rajemisa 1985] mitombina (eo ampitombenana na efa tafatombina): Mipetraka eto ambony seza tompoko! / Tsy azo atao ny miarahaba manala satroka raha mipetraka
¶ mitoetra, monina: Mipetraha any ambanivohitra izy
¶ Ankinina amin' ny olona na banky: Vola mipetraka
Mitovy hevitra: mamitsaka ~ manao torovok' amboa ~ miainginaingina ~ miampatra ~ mianinanina ~ miarinarina ~ mibalelaka ~ mibelaka ~ miemonemona ~ mihaminkamina ~ mininginingina ~ misoketraka ~ misolaketraka ~ misonanaka ~ misonanina ~ misondretaka ~ mitaboretaka ~ mitakoko ~ mitalapetraka ~ mitampisaka ~ mitemontemona ~ miteronterona ~ mitombina ~ mitorevaka ~ mitorovoka ~ mitsivelatra ~ mitsivetraka ~ mivalaketraka ~ mivalandotra
Explications en anglais  [Richardson 1885, Hallanger 1973] to be at rest
  [Richardson 1885] to sit down, to perch
  [Hallanger 1973] to sit
Explications en français  [Abinal 1888, Hallanger 1974] être assis
  [Abinal 1888, Hallanger 1974] s'asseoir
  [Abinal 1888] être placé, posté
¶ être destitué, renvoyé
¶ habiter, séjourner
Morphologie 
mipetraka
nipetraka
hipetraka
mipetraha
Mots composés, titres, noms 
Exemples 
1 [Rajohanesa: Kintana] Ny anankiray mipetraka, ary ny iray mandry.
2 [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 23] Mipetraka ambony tsihy izy manjokaiky toa olona tra-pahakiviana sy very hevitra.
3 [Andraina: Mitaraina, page 174] Rahefa tsy miasa dia mandehandeha fotsiny eny no ataony, na mipetraka miresaka sy mifampijery.
Citations 

Mis à jour le 2022/09/14