Entrée mandrindrina (rindrina)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache Manao izay hiadian' ny lelavaravarana amin' ny batana mba tsy hahafahany mivoha (mba hitoviany tantana amin' ny rindrina); manakatona: Efa mahay mandrindrina varavarana ny zafikeliko
¶ Mametraka olona ao anaty trano mba tsy hahafahany mandehandeha: Nisy nandrindrina an' itý zaza itý tao an' efitra tao ka nitomany foana tao izy
¶ Mametaka varavarana: Mba tsy mahay koa izay mpandrafitra nandrindrina itony varavarana itony [Rajemisa 1985]
Définition anglaise to close [Hallanger 1973]
Définition française fermer [Hallanger 1974]
Morphologie 
mandrindrina
nandrindrina
handrindrina
mandrindrìna
Exemples Tsy nanome tsiny azy ireo aho ankehitriny fa mandrindrina ny fakam-panahy! [Andriamalala: Ranomasina, page 26]

Entrée mandrindrina (rindrina)
Partie du discours adjectif
Définition malgache Enti-milaza olona sady lehibe no lava, ranjanana, goaibe: Tsitapitapitrizay indro nisy lehilahy nandrindrina be nanatona ahy [Rajemisa 1985]

Entrée mandrindriña
Partie du discours verbe actif
Définition malgache  [Sihanaka] mandondona [Rakotosaona 1975]
Exemples Malaza ho be mpamosavy ny vohitra sasantsasany tsy maintsy lalovany ka nampitsangam-bolo azy roalahy isaky ny misy aloka iray mandrindrina. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 66]

Entrée mandrindrìna (rindrina)
Partie du discours impératif du verbe actif mandrindrina [liste complète]
Définition malgache  [Rajemisa 1985]

2012/05/24