|
|
|
|

Teny iditra 1  Avaradrano
Singan-teny  2 avaratra, 3 rano
Sokajin-teny  4  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  5 Andriamasinavalona, izay nahavory voalohany an' Imerina, dia nizara azy ho efa-toko. ka Avaradrano no nataony filaharana voalohany (1675-1710). -- Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina dia nitatra ny faritr' Imerina, ka nozarainy enim-toko izy, dia Avaradrano, Vakinisisaony, Marovatana, Ambodirano, Vonizongo, Vakinankaratra. -- Mizara telo indray Avaradrano, dia: Tsimahafotsy, Ambohimanga no renivohiny; Tsimiamboholahy, Ilafy no renivohiny; Mandiavato, Ambohidrabiby no renivohiny. Andranobevava eo atsimon' Analamahitsy, izay rano be mangeniheny tany aloha, no farany atsimo amin' Avaradrano, ka izany no naha-Avaradrano azy... [1.10#78.450]
Fanazavàna teny frantsay  6 le plus célèbre des six territoires de l'Imerina d'où est sorti celui qui devait porter le nom d'Andrianampoinimerina et dont les trois bourgs principaux furent à cette époque Ambohimanga (Tsimahafotsy), Ilafy (Tsimiamboholahy) et Ambohidrabiby (Mandiavato). Le territoire est situé sur la rive nord de la rivière Andranobevava, d'où le nom qu'on lui a donné. [1.11]
Ohatra  7  Inona no mahalatsaka an'avaradrano noho Antananarivo? [1.336#]
8  koa raha resiny avaradrano, dia baboiny to'izany koa. [2.59#]
9  Novonoina ireo vehivavy tamin'avaradrano nisehoan'ny kabary. [2.298#]
Voambolana  10  Haitoetany: firenena, foko
Mpanahaka  11  ambodirano, 12  ambodirano, 13  imerina enin-toko, 14  imerinaenintoko, 15  marovatana, 16  marovatana, 17  vakinankaratra, 18  vakinankaratra, 19  vakinisisaony, 20  vakinisisaony, 21  vonizongo, 22  vonizongo
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21