Index

Proverbes : ankizivavy

Proverbe 1Aza manao tahaka ny vorontsiloza: miebanebana tsy ankizivavy, dia izy ihany; manakora tsy adin’ ombilahy, dia izy ihany; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany; maneno tsy ampongabe, dia izy ihany. [2.653]
Aza manao tahaka ny vorontsiloza : mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany, manakora tsy adin' ombalahy, dia izy ihany, miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany, midoboka tsy ampongabe, dia mbola izy ihany koa. [2.558]
Aza manao tahaka ny vorontsiloza: mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany; manakora tsy adin’ ombilahy, dia izy ihany; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany; midoboka tsy ampongabe, dia izy ihany. [2.653]

Proverbe 2Tsy mety raha manao andevovavy may trano: ny trano may tsy hitany, fa "Maty aho varin-janako !". [2.653 #3433]
Tsy mety raha manao ankizivavy may trano, ka ny trano may tsy hitany fa ny may ao ny varin-janako no ambentin-teny. [2.558]

Index