|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  tora-tady
Singan-teny  2 toraka, 3 tady
Sokajin-teny  4  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  5 ilazana ny lalana mahitsy tsy misy melomeloka, ka mifanandrify amin' izay iaingana ny erỳ am-pita; mahitsy ohatra ny nosoritan' ny tady nalefa hizotra lava hatrany hatrany [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6 droit, qui va droit d'un point à un autre [1.3]
[toratady] 7 en ligne droite [1.13]
Ohatra  8  Fa nandona saina tokoa ny fijery ny saha toy izany, na ny fohy indrindra taminy aza : rindrina havia sy havanana avo noho ny rihan' trano anankiray ary mitsatoka mahitsy, ny elanelan' ireo mivelatra ohatra ny arabe efatra natambatra, ny saha manao toratady mitsotra maloloana ka tsy taza-maso ny farany. [2.472#]
Tsipelina hafa  9 toratady
Kamban-teny rehetra  10 ketsa tora-tady

Teny iditra (2/2)11  toratady
Sokajin-teny  12  anarana
Fanazavàna teny malagasy  13 antsamotady [Taisaka] [1.78]

Fivaditsoratra  14 atoditra, tora-tady, toratady

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21