|
|
|
|

Teny iditra 1  miantso
Fototeny  2 antso
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Manisy anarana: Ikoto no niantsoana azy fony kely
5 Mamory olona mba hanatrika na ho tonga amin' ny..., manaika, manainga: Niantso ny fokonolona ny lehiben' ny tanàna fa nisy zava-dehibe nodinihina
6 Manonona tsirairay: Raha efa izany, dia niantso ny anaran' ny miaramila tsirairay ny kapiteny
7 Maka, manao izay hahatongavana: Moa ve efa nisy niantso ny dokotera?
8 Milaza, mamoaka ampahibemaso: Hiantso kabary, hono ny filohan' ny Nosy amin' ny volana mey
9 Mangataka, mitalaho: Miantso ny anaran' ny Tompo
10 Manendry, mifidy: Niantso an-dRanona ho lehiben' ny raharaham-bahiny ny filohan' ny governemanta
11 Manome na mametraka adidy, mandidy, mandodona: Miantso anao ny tanindrazana ka mahereza fo! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to call, to summon, to invoke. Manantso is used in the provinces for this. [1.2]
13 to call; to summon; to call out [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 appeler; convoquer; proclamer; crier fort [1.8]
15 appeler, convoquer, publier, proclamer, invoquer: Miantso olona (Appeler quelqu'un) ~ Miantso ny vahoaka (Convoquer le peuple) ~ Miantso kabary (Proclamer une assemblée générale) ~ Maintso an' Andriamanitra (Invoquer Dieu) [1.3]
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
19  Filaza mandidy :
Tovy hevitra  20 manaika, manatsimaso, manesiesy, manofa, mihatsy, mikahankahana, mikohokoho, mikohona, mikoka
Fikambanana  21 miantso tody
Ohabolana  22  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  miantso, 23 mitsano, 24 santimo, 25 somanty

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/07