|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/4) | 1 antso |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin' ny tena; famoriana olona hanatrika na ho tonga; fanirahana hitaona olona ho avy
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
4 a call, a summons
[1.2, 1.7] 5 an invocation [1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
6 appel, convocation
[1.3#57, 1.8] 7 publication, proclamation, invocation [1.3#57] |
| Ohatra |
8 hoy ny antso avo afitsony.
[2.503]
9 Heno ny antso, ny baiko mifanaretsaka etsy sy eroa. [2.472] 10 Miseho ao koa ny antso nataon-dravehivavy sy ny valin-tenin' ila. [1.38] |
| Sampanteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 24 Fikambanana 8 amin' io teny io |
| Teny iditra (2/4) | 25 antso |
| Singan-teny | 26 antso |
| Sokajin-teny | 27 anarana |
| Fanazavàna teny frantsay |
28 (de antso : action d'invoquer une puissance occulte ; cette plante toxique était employée dans les cérémonies d'exorcismes). Euphorbia antso Denis (Euphorbiaceae). Toxique dans toutes ses parties. Latex très irritant, caustique.
[Sakalava]
[1.196] |
| Voambolana | 29 Haizavamaniry |
| Anarana ara-tsiansa |
|
| Teny iditra (3/4) | 31 Antso |
| Singan-teny | 32 antso |
| Sokajin-teny | 33 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 34 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
35 Dox |
| Lahatsoratra |
36 Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
37 hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery 38 fa toa any aminao, lay fanalahidy 39 notadiaviko hatrin’ny ela…tsy tadidy 40 41 Fa taiza ianao… notadiaviko efa ela 42 tao anatin’ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela 43 fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty 44 velombelombolo aok’izany, tondrak’orana tsy maty 45 46 Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo 47 fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro 48 anjaran-tsika ny ampitso, hihainana anio 49 koa raiso ‘zany foko, ny antsony valio 50 |
| Teny iditra (4/4) | 51 Antso |
| Singan-teny | 52 antso |
| Sokajin-teny | 53 anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana] |
| Voambolana | 54 Haisoratra: boky |
| Mpanoratra |
55 Andriamalala Emilson Daniel |
| Mpanonta printy |
56 Ny Nosy vaovao. 1961. Takila: 53. |
| Fivaditsoratra | Antso, antso, 57 ontsa |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21 |
|