|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  mandainga
Fototeny  2 lainga
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Tsy milaza ny marina, milaza zavatra diso ho marina, mamitaka amin' ny tsy filazana ny marina; manao marina tsy to: Ny tahotra matetika no mahatonga ny ankizy handainga ~ Loza raha handainga io vehivavy io
5 (mizana, famantaranandro) Tsy manondro ny marina fa mihoatra na latsaka no lazainy; diso: Mandainga ny famantaranandro izany; andro efa amin' ny 11 ka lazainy fa vao amin' ny 9 sy sasany ~ Ario any io mizana io fa mandainga
6 Mahatonga ho diso, mamitaka, manodoka: Mandainga indraindray ny maso [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 to lie, to tell a falsehood; to leave a promise unfulfilled [1.2]
8 to lie, to be deceitful [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 mentir, être faux [1.8]
Ohatra  10  mandainga tsotra izao! [2.928#]
11  Izaho tsy mba mandainga! [2.298#]
12  tsy misy mahalala fahasitranana, fa mandainga ny mpisikidy manao hoe "mahay aho", kanjo izy hifetsy ny harian'olona - hoy ity Rangahy mpisikidy. [2.48]
Haiendriteny 
13  Ny ankehitriny :
14  Ny lasa :
15  Ny hoavy :
16  Filaza mandidy :
Mpanahaka  17  manaomarinatsyto
Kamban-teny rehetra  18 mandainga fotoana
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)20  mandaingà
Fototeny  21 lainga
Sokajin-teny  22  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandainga [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Fivaditsoratra  mandainga, mandaingà, 23 midangana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21