|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  maka vavan' olona
Singan-teny  2 maka, 3 vava, 4 olona
Sokajin-teny  5  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  6 mino avy hatrany izay lazain' ny olona fa tsy mamototra akory ny amin' ny fahamarinany; mandray sy mino izay lazain' ny sasany (fa tsy mba miandry handre sy hahitamaso mivantana) [1.1]

Teny iditra (2/2)7  Maka vavan' olona
Singan-teny  8 maka, 9 vava, 10 olona
Sokajin-teny  11  anarana (lohatenin-tantara fohy)
Voambolana  12  Haisoratra: tantara fohy
Mpanoratra 
13 Tselatra
Lahatsoratra  14  - Endrey ity satro-drazoky misy ivoho sy anoloana, ny lamban-drazandry misy atiny sy ivelany, fa tsy mba nampoiziko ny fo avy no misy aseho sy afenina.Nody tiana aho kanefa tampena-maso, safosafoina kanjo tiana hatory l.Fa sasa-poana ianao, raondriana, mihodin-dava, nefa ny lanimandry hitan'ny any ivelany;miery foana raotrik'afo misaron-davenona fa tsy avelan'ny setroka tsy ho hita.Fanahy afenina ahy ny anao, rahavako, ka tsy hitako izaho nierena fa notanisain'ny hafa tsy nampoizina;vaky ianao vao taitra, nandre aho vao talanjona.

15  - Olon-tsy tiana ve aho no indraman-teny, sa efa hala no akam-bavan'olona? Ny hafa anie, rahavako, ka zavona ta-hanelanelana ny tany;renirano ta-hampisaraka ny morona, satriny ianao tsy hanana, satriny aho hamoy.Voara andrefan-tanàna ny fitiavana ka hozongozonin'olona hitsimponany izay raraka, vato be poirim-paka ka raha mihalaka ianao dia itsapahany.Ka mbàmihevitra, mbàmitadidy fa sao roboroboin'ny hain-tanety ka mamono ny efa ato am-patana.


Fivaditsoratra  Maka vavan' olona, maka vavan' olona

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21