Entrée indro
Partie du discours adverbe [liste complète]
Explications en malgache Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao [1.1]
Explications en anglais Behold! Lo! Here! This is it! See indry. [1.2]
 Behold! look! there he (she, it) is! [1.7]
Explications en français Voici, voilà [1.3]
 Le (la) voilà [1.8]
Exemples 
1Indro ny volanao. [2.4]
2Indro avereno izy! [2.298]
Titres Indro (Razakandraina Jean Verdi Salomon)

Entrée Indro
Mots élémentaires indro
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte 
Indro ny Zanakavavin’ny Alina
Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina…
‘Ndeha handro izy iny…

Ny volony lava toa setroka oly,
Ny maso baliakany toa hanangoly…
Mandrendri-bahiny!…

Mba mahina angaha sao misy mahita
Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita
dia indro tokoa…

Ingahy masoandro misalotra mena
malaina handao an’ity fijerena
An-dRavolana soa!…

Dia indro fa nihaona ny masony roa
Ka menatra indrindra Ravolana soa
Noraisiny haingana

‘lay rahona kely mba sendra nandalo
ho enti-manafy an’ity tena mimalo
tsy ho hita mivaingana…

Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava…
Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava!
…Dia tena nitranga!

Nisosa malako, nandeha nilomano
namaky ny ony ‘zay manganohano:
Ny lanitra manga!
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Anagrammes 

Mis à jour le 2023/10/20