|
|
|
|

Teny iditra1  fandrenesana
Fototeny  2 re
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fahafantarana feo
5 Fahazoan' ny olombelona mifandray amin' ny zavatra manodidina azy ka ahafantarany ny momba ny tsirony, ny fofony, ny feony sy ny hamafiny: Misy efatra ny fandrenesana ka ireto avy ny organina aminy: ny lela, ny orona, ny sofina, ny hoditra amin' ny tena manontolo, fa indrindra ny tanana
6 Varavaran-tsaina. (Marihina fa ny fahitana dia tsy mba voafaoka ho anisan' ny fandrenesana) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 the sense of hearing; also used of other senses [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 l'ouïe ; sensation en parlant des autres sens, sauf la vue [1.8]
Ohatra  9  Endrey ny alahelo amy ny fandrenesana izany! [2.59#]
10  Azo lazaina ihany koa fa tsy manafintohina loatra ny fandrenesana azy io. [1.519#]
11  Nampandraiki-marary azy mihitsy ny fandrenesana, fa nanaiky tokoa Razaimalala. [2.324#]
Voambolana  12  Haiaina
Mpanahaka  13  fahitana, 14  fanamboloana, 15  fitsapana, 16  fitsiroana
Kamban-teny rehetra  17 tailam-pandrenesana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17