|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  andriamanitra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny anglisy  3 a god (sometimes used of the ancestors) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  4 dieu. Autrefois on donnait ce nom aux objets du culte superstitieux, et aux bonnes choses, comme nous disons divin pour exprimer une qualité supérieure [1.3]
5 un dieu (se dit parfois des ancêtres) [1.8]
Ohatra  6  Ny vodiny nomeny ny andriamanjaka, fa izany no ataony ho andriamanitra hita-maso. [2.293]
Voambolana  7  Finoana
Kamban-teny rehetra  8  Fikambanana 5 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)9  Andriamanitra
Sokajin-teny  10  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  11 Anarana niantsoan' ny Ntaolo ireo hery miafina ambonin' ny zavaboary ka nahatonga ny fiteny hoe Andriamanidahy sy Andriamanibavy
12 Ilay lehibe indrindra amin' ireo hery ireo, izay navahany amin' ny fiantsoana azy manokana hoe Andriamanitra-Andriananahary, ka voalazany fa:
13 a) tsy maintsy inoana: Manao an' Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy
14 b) nahary tongotra aman-tanana ny olombelona
15 d) mahalala ny zavatra rehetra: Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona
16 e) manohy mitahy ny olombelona hatrany hatrany: Ny iray tahitahin' Andriamanitra ny iray tahitahin' olombelona
17 f) marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara: Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana
18 g) tsara fo: Tsy misy tsy hitan' Andriamanitra saingy minia miondrika izy
19 h) fototry ny lalàm-pitondran-tena: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon' ny loha
20 Razana araka ilay fiteny iantsoana ny maty hoe: Lasan-ko Andriamanitra
21 Ny masoandro, izay lazaina amin' ilay fotoana mitsidika andro iny hoe: Andriamanitra mby an-trano [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  22 God. The word up to recent times was used in speaking of idols, charms, the deceased sovereigns, the reigning sovereign, anything valuable or wonderful; in these latter sense it seems equivalent to divine, supernatural, extraordinary, or surpassingly excellent. It is still so used in the more distant parts of the island, and among the unenlightened people of the central province even. It is said that the name was so given because while the body might not be seen, there was a fragrancy attending the name. See zanahary [1.2]
23 God [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  24 Dieu [1.3, 1.8, 1.5]
25 Le Créateur [1.3]
Ohatra  26  Fa maninona re izahay, andriamanitra, no dia nidiran-doza toy itony! [2.324]
27  Hafahafa ihany ny soratr' aretiny ary tsy fantatra rahateo izay sitrapon' andriamanitra. [2.470]
Haiendriteny 
28  Tsotra :
Voambolana  29  Soratra Masina 30  Fivavahana
Mpanahaka  31  andriananahary, 32  andriananahary, 33  andtra, 34  andtra, 35  zanahary, 36  zanahary
Kamban-teny rehetra  37  Fikambanana 14 amin' io teny io
Ohabolana  38  Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  39 Toko sy andininy momba Andriamanitra
Lahatsoratra  40 Randzavola: Diksionera amin' ny Baiboly: Andriamanitra

Fivaditsoratra  Andriamanitra, andriamanitra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21