|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Voninkazo taratasy |
| Singan-teny | 2 voninkazo, 3 vony, 4 hazo, 5 taratasy |
| Sokajin-teny | 6 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 7 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
8 Rajaobelison Samuël |
| Lahatsiratra manontolo |
9 10 Dodona aho hanimbolo 11 F'efa babony tontolo, 12 Kanjo he! mangasihasy! 13 Voninkazo taratasy! 14 Ny voninkazo-Nanahary 15 Ve tsy nisy? ka inona àry, 16 Ka inona no nanolorana 17 'Ty voninkazo torantorana? 18 Karazan-doko mahakofona 19 Fa tsy hanitra na fofona, 20 Nony'njay atao an-tratra: 21 Henjankenjana mandratra. 22 Samy voninkazo ihany: 23 Ny iray velomin-tany, 24 Dokadoka, lenodenoka, 25 Misy fofo-maharenoka! 26 Samy voninkazo ihany: 27 Ny iray namboarina any ho any 28 Lafo vidy, sarotsarotra, 29 Entam-barotra! entam-barotra! 30 Samy fotsy, samy mena, 31 Samy ngita raha jerena. 32 Ny iray, fahaizana hosodoko; 33 Ny iray, kilalaon'ny foko! 34 Eto an-tany koa dia misy 35 Toerana amboarina indrisy! 36 Maka tahaka ny lanitra, 37 Nefa tsisy fofo-manitra. |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/03/12 |
|