|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 volan-tsinana |
| Singan-teny | 2 volana, 3 tsinana |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny frantsay |
5 les premiers jours de la lune
6 croissant [1.3] |
| Ohatra |
7 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana
[2.996]
|
| Voambolana | 8 Haikintana |
| Teny iditra (2/3) | 9 volan-tsinana |
| Sokajin-teny | 10 anarana |
| Fanazavàna teny frantsay |
11 demi-cercle
[1.3] |
| Ohatra |
12 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana
[2.996]
|
| Voambolana | 13 Matematika: rafitsary |
| Teny iditra (3/3) | 14 Volan-tsinana |
| Singan-teny | 15 volana, 16 tsinana |
| Sokajin-teny | 17 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 18 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
19 Razafintsalama Josefa |
| Lahatsiratra manontolo |
20 21 Raha nisoka, natao tsy hiverina; 22 nony maty, natao tsy hiposaka, 23 kanjo io ihany io mitsingerina, 24 fa ny zava-malefa-pitosaka ; 25 fisehoany dia mihelontrelona , 26 fa mitsidi-mitranga milentika 27 ary impito no maty ka velona 28 fa tsy tena dia lasa mirendrika 29 iry volan-tsinana andrefana 30 mahalala fotoam-piherenana! 31 Samy faly no sady finaritra, 32 ka indreny miainga mirohotra 33 eo an-kianja hikorana maharitra 34 ireo maro kilonga isam-bohitra; 35 fa ny zaza kamboty, manjonitra, 36 mahatsiahy ilay kibo nitoerana 37 sy ny ray nanao sikim-ponitra , 38 faingy hani-mandalo miserana 39 toraka io volan-tsinana andrefana, 40 tsy mandika fotoam-piherenana. 41 Ireo hazo amoron'ny tevana 42 velon-tsento mangina tarafiny, 43 fa ny sainy he! mihevangevana 44 ka maniry azy io hotahafiny... 45 Dia voavetso ny ela nilaozana, 46 ka ny endrika, bika, nananana, 47 no tanian-kimpody , hiaranana 48 toraka io volan-tsinana andrefana 49 tsy mandiso fotoam-piherenana! |
| Fivaditsoratra | Volan-tsinana, volan-tsinana |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/20 |
|