Entrée tenim-piontanana
Mots élémentaires teny ; fiontanana
Partie du discours nom
Explications en malgache Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy:
  1. ny matoanteny (ohatra: miteny),
  2. ny tambinteny (ohatra: afovoany),
  3. ny anarana (ohatra: ankizy),
  4. ny mpamaritra (ohatra: fotsy),
  5. ny mpisolo (ohatra: izy),
  6. ny mpanoritra (ohatra: ilay),
  7. ny mpampiankin-teny (ohatra: amy),
  8. ny mpampitohy fehezan-teny (ohatra: rehefa),
  9. ny mpampitohy (ohatra: ary),
  10. ny tenim-piontanana (ohatra: indrisy),
  11. ny kian-teny (ohatra: ve).
[1.1]
 Ny antsoina amin'izany dia ireo teny milaza fihetseham-po eo amin'ny resaka na soratra. Maro karazana izy ireo:ao ny milaza fahatairana miharo hetezerana: adray...; fataraina miharo hagagana: endrey...; alahelo: indrisy; fandatsana: akaito...; fahitana zavatra mahafatifaty: ntrô...Ao aorian'ny tenim-piontanana, dia asiana tsoraka (!) mandrakariva, izay averina indray ery amin'ny faran'ny fehezanteny: indrisy! be fahavalo ny tsara! [1.13]
Explications en français Interjection [1.5]
Vocabulaire 
Tableaux et planches toutes les interjections

Mis à jour le 2023/06/08