Entrée | 1 Ny Ohabolana Malagasy |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de livre) |
Vocabulaire |
3 Littérature |
Mots élémentaires | 4 ohabolana, malagasy |
Auteur |
5 Rahajarizafy Antoine (s.j.) |
Editions |
6 Vita printy tany Italia - LIS srl - Palermo - 1987, 1988. Hauteur: 19cm. Largeur: 14cm. Pages: 175 |
Texte |
7 Sava ranon' andoTsy ho fanangonana na fitanisana toa ireo boky taloha rehetra ity. Fa ho fisavasavana sy ho fikarohana kosa.Hovisavisaina etsy aoriana ireo boky samy hafa efa nivoaka momba ny Ohabolana, izay fantatra ahay: ao ny nataon' ny havana avy any am-pita (misionera englisy sy norveziana sy frantsay), ao ny nataon' ny teratany tary alohaloha sy taty aoriandriana. Misaotra azy ireny, nanangona sy nitahiry ny vako-drazana. Anisan' ny sarobidy amin' ny vako-drazana ny ohabolan' ny isam-pirenena, fa mba iraketany ny fisaina amam-pomban-drazany: indrindra amin' ny Malagasy, izay tsy mbola nanan-tsoratra niraketany ny vako-drazany raha tsy hatramin' ny nanjakan' Ilaidama (1810-1828). Izay mameno ny fo aman-tsaina moa no famoaky ny vava: koa inona ny Ohabolana, raha tsy ny ohatrohatra fampiasan' ny vahoaka, avy amin' izay hitany sy iainany isan' andro vaky izao? Dia miboraka ho azy eo tokoa, na niniany na tsy niniany. Izany no iantsoana ny ohabolan' ny isam-pirenena ho " fahendren' ny taranaka " . Tsy dia hoe fahendrena avokoa no atoron' ny Ohabolana - na ny an' ny firenena iza na ny an' ny firenena iza - fa voaraikitra ao ny fahita eo amin' ny fiainana na tsara na ratsy; voaraikitra ao anefa ny fahitany rehetra, ahatsapana izay mba fahaizany mandinika. Raha io fahaiza-mandinika io, dia samy manana ny azy ihany ny isam-pirenena: ny Razantsika koa, mba toa ny hafa. Tsy dia nisy taiza tsy akory: samy mandia tany ary samy miloloha lanitra, na ny avy atsy na ny avy aroa. Koa saika mitovy ihany ny fahita sy ny fiaina voaraikitra ao amin' ny ohabolam-pirenena ambany masoandro. Fa "ladim-boatavo ny olombelona, ka raha fotorana iray ihany" ; ary afandrin-drano, ka tsy misy avo sy iva" . Anefa koa "toa ny embok'akondro: ka raha manondro lanitra iray ihany, fa raha miondrika samy manana ho lafiny" . Afa-tsy ny endrika samy hafa tefy, eo dia eo koa ny fandinika samy hafa firaika. Mba manana ny azy ny Malagasy, araka izay asehon' ny ohabolany. Izay angaha no hosavasavaina. Andrana ihany izy ity: toa sava ranon' ando angaha ny anay zokinjokiny. Fa tandindomin' ny somambisamby, ka dodona sao tratry ny haizina... Misoritra ho fizarana efatra ny resaka. Amin' ny fizarana voalohany, dia hosavasavaintsika ny voadiniky ny Razana. Tsy dia misy zava-baovao hambara tsy akory amin' io. Amin' ireo boky hovisavisaintsika etsy aoriana, dia efa nisy nandahatra ny ohabolana malagasy araka ny foto-kevitra. Nefa mba fandaharana vaovao ihany no aroso, hahazava ny fisavasavana manaraka. Amin' ny fizarana faharoa, dia hovoasantsika ny fandiniky ny Razana. Miditra amin' ny votoatin-dresaka isika amin' izay. Eo no mampiavaka ny ohabolana malagasy sy ny toe-tsain' ny Malagasy. Misy manko fomba tena lalain' ny Malagasy, nefa manavia an' ireo havantsika avy any am-pita. Moa tsy misy koa tena lalain' izy ireo, nefa manavia antsika Malagasy? Amin' ny fizarana fahatelo, hosavasavaintsika ny hasin' ny ohabolana sy ny firafitry ny ohabolana. Tsy ravaky ny teny foana mantsy ny ohabolana, araka ny fihevitry ny marivo salosina sy araka ny fampiasan' ny sasany azy be fahatany, fa mizaka hery miafina mahavariana co amin' ny fitenenana. Ary samy hafa ny fandrafetan' ny Razana ny ohatrohatra fanaony, koa samy hafa araka izany koa ny fipaikan' ny ohabolana amin' ny eritreritr' izay itenenana. Ary farany, amin' ny fizarana fahaefatra dia hosavasa-vaintsika ny onja mitondra ny fandiniky ny Razana ao amin' ny ohabolany. Mifanerana amin' ny fiainana manontoio ny hevitra fonosin' ny ohabolana: nony savasavaina anefa, tsapa misy onja manentana azy rehetra. Mety ho samy hafa izany amin' ny mpandinika samy hafa: izay mavesa-danja amin' ny mpanoratra no alahany. Ireto àry ny boky mirakitra ny Ohabolana voaàngona hatramin' izao, ka nifotorana amin' ity fisavasavana tsotsotra ity:
|
Illustrations |
|
Mis à jour le 2023/06/08 |