|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  menakely
Singan-teny  2 mena, 3 kely
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  5 (taloha) Tany iadidian' ny andriana anankiray napetraky ny mpanjaka ao, izay antsoina hoe tompomenakely na tompombodivona. (Jereo menabe) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6 fief seigneurial [1.431#14]
7 terres et sujets des seigneurs féodaux, par opposition au menabe, terres et sujets du domaine royal [...] [1.11]
Ohatra  8  Nanan-karena sady be menakely Andriambahoaka; [2.69#79]
9  Tsy hataoko menakely ianareo fa ataoko menabe. [2.508#408]
Tovy hevitra  10 vodivona
Mpanahaka  11  menabe

Teny iditra (2/2)12  menakely
Sokajin-teny  13  anarana
Fanazavàna teny malagasy  14 Karaza-mofo atao amin' ny kobam-bary misy siramamy ka endasina [1.1]
Ohatra  15  Mofo menakely na ramanonaka no hany sakafo nohanin' ny olona. [2.472#131]
16  Ny ankizy no nitondrany vatomamy sy menakely ka avy hatrany dia nandrapaka. [2.470#101]
Voambolana  17  Toe-karena: hanina
Kamban-teny rehetra  18 mofo menakely

Fivaditsoratra  19 kelimena, menakely

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09