Entrée | matoanteny (toa, teny) | ||||
Partie du discours | nom | ||||
Définition malgache | Sokajin-teny enti-milaza ny teny fototry ny fehezanteny ka ny fiforonany dia amin' ny alalan' ny tsirinteny mirafitra amin' ny fototeny. ¶ Misy karazany sivy ny matoanteny malagasy: a) ny matoantenin' ny mpanao (ohatra: mamatotra); b) ny matoantenin' ny iharana (fatorana ny omby); d) ny matoantenin' ny atao (afindra ny entana); e) ny matoantenin' ny fitaovana (afatotra ny omby ny tady); f) ny matoantenin' ny sehatra (mifatotra ny omby); g) ny matoantenin' ny mpandray (velarana tsihy ny vahiny); h) ny matoantenin' ny mpamaritoe-javatra (amatorana, ifatorana); i) ny matoantenin' ny mpampanao (mampamatotra); j) ny matoantenin' ny mpifanao (mifamatotra) ¶ Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy:
| ||||
Ny atao hoe matoanteny dia ny teny rehetra fanao teny enti-milaza asa. Ohatra: milalao, jerena, ahandroana. [Rajemisa: Fitsipi-pitenenana] | |||||
sokajin-teny afaka miovaova endrika [SLP 1986] | |||||
sokajin-teny manambara asa, hita ao amin' ny fehezanteny malagasy [Akademia 2005] | |||||
Traduction française | verbe [SLP 1986] | ||||
Vocabulaire | Linguistique | ||||
Mots composés, titres, noms |
| ||||
Exemples |
| ||||
Mis à jour le 2020/07/31 |
![]() |