|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  manamka
Fototeny  2 amb
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mamitaka amin' ny varotra (na amin' ny fakana tombony be loatra, na amin' ny fiangarana amin' ny lanja na amin' ny fivarotana zavatra tsaraivelany fotsiny fa ratsy na tsisy vidiny): Tokony hosazin' ny fanjakana mafy ny mpivarotra manambaka
5 Manararaotra ny tsy fahalalan' ny olona iray ka mamitaka azy: Lozan' izay manambaka zaza fa tsy ho tantiny ny todin' izany
6 Miangatra na manao izay handresen' ny tena na haharesen' ilay mpifaninana amin' ny tena amin' ny fomba tsy an-drariny, an-kafetsena: Tokony hofadina ny manambaka amin' ny lalào, fa sady tsy rariny no mahamenatra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 to deceive, to defraud, to impose upon, to overreach, to take an unfair advantage of, to circumvent. [1.2]
8 to defraud, to deceive [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 tromper, tricher: Aza manambaka toy izany raha mivarotra ianao (Ne trompez pas de la sorte en vendant) [1.3]
10 tromper [1.8]
Ohatra  11  Tamana manambaka ny adala ialahy, ka ataoko mandoa hanin-kinana anio. [2.588#]
12  Fa ny andriamanjaka tsy mba azo andramana, fa ny mpanom-po manambaka no mahay maty. [2.298#]
Haiendriteny 
13  Ny ankehitriny :
14  Ny lasa :
15  Ny hoavy :
16  Filaza mandidy :
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/4)18  manàmbaka
Sokajin-teny  19  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  20 manavaka [Bara] [1.78]

Teny iditra (3/4)21  manambaka
Sokajin-teny  22  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  23 fomba fitolon'omby [Sihanaka] [1.78]

Teny iditra (4/4)24  manamba
Fototeny  25 ambaka|ambàka
Sokajin-teny  26  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manambaka [Fitanisana]

Fivaditsoratra  manambakà, manàmbaka, manambàka, manambaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21