|
|
|
|

Entrée mahafaty (faty)
Partie du discours verbe actif ou adjectif
Explications en malgache Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io
Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty
Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina
Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho
Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany
Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny [1.1]
Explications en anglais To kill [1.2, 1.7]
 To put out a lamp [1.2]
Explications en français Tuer [1.3, 1.8]
 Pouvoir tuer, donner la mort, mortel [1.3]
 Gagner au jeu, au commerce, gagner au pari [1.3]
 Éteindre, effacer, enlever la force, abîmer, faire tomber en désuétude [1.3]
 Éreinter, assommer, empester, étouffer [1.3]
Exemples 
1Ny mamono olona mahafaty olona. [1.123]
2Ny sazin'ny heloka tsy mahafaty. [2.508]
3Nareo, hoy i, tsy raha mahafaty ahy! [2.606]
4Mahafaty io poizina io (Ce poison est mortel) [1.3]
5Mahafaty ny hafanana (La chaleur est assommante) [1.3]
6Nahafaty olona iray izy (Il a tué une personne) [1.3]
7Heloka mahatapa-doha izany, heloka mahafaty izany! [2.528]
8Mahafaty ity fiakarana ity (Cette montée éreinte) [1.3]
9Nahafaty ny vary ny rano (L’eau a abîmé le riz) [1.3]
10Mahafaty ny fofon' io fatim-biby (Cette charogne empeste) [1.3]
11Mahafaty izany setroka izany (Cette fumée est étouffante) [1.3]
12Nahafaty ny jiro ny rivotra (Le vent a éteint la chandelle) [1.3]
13Mahafaty tena ho an’ ny zanany izy (Il se tue pour ses enfants) [1.3]
14Tsy mahafaty ny mamba ny bala (Les balles ne peuvent tuer un caïman) [1.3]
15Tsy hahafaty azy io aretina io (Cette maladie ne lui donnera pas la mort) [1.3]
16Ny ranonorana no nahafaty io hosodoko io (La pluie a abîmé cette peinture) [1.3]
17Inona no nahafaty io soratra io? (Qu’est-ce qui a effacé cette écriture?) [1.3]
18Nahafaty ariary telo aho tany an-tsena (J’ai gagné trois piastres au marché) [1.3]
19Iza no nahafaty taminareo roa lahy? (Quel est celui de vous deux qui a gagné au jeu?) [1.3]
20Inona no nahafaty ny herin' ity toaka ity? (Qu’est-ce qui a diminué la force de ce rhum?) [1.3]
Morphologie 
Présent : mahafaty
Passé : nahafaty
Futur : hahafaty
Impératif : mahafatesa

Mis à jour le 2023/09/13