|
|
|
|

Teny iditra1  henatra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Tahotra ny fahaverezan-kaja sy voninahitra: Henatr' olona re izany! Tsy sahy mitraka mihitsy izy rehefa mamakivaky eo afovoan' ny olona.
4 Fahatsiarova na ny tena ho ambany, noho ny toetra ratsy ananana na asa ratsy tsy mendrika natao: Safotry ny henatra ny anao lahy fa tratran' ny fokonolona nangalatra teo an-tsena.
5 Fahafaham-baraka: Henatra ho an' ny fianakaviana ny zaza tahaka ireny.
6 Fanajana be loatra amin' ny olona iray ka mahatonga ny tena tsy ho sahisahy aminy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 shame, disgrace. [1.2, 1.7]
8 shamefacedness, bashfulness. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  9 honte; humiliation. [1.8]
[heñatra] 10 honte. [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Ohatra  11  Misahirana atosiky ny fitiavana mifangaro henatra ny ho ratsy laza izany no mihaokaoka. [2.245#]
12  Te-hikosoka ny henatra lehibe tamin' ny nisaoran' olona ny zanany vavy tokana, hono, izy. [2.643#]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Mpamaritra :
Voambolana  21  Ontam-po
Kamban-teny rehetra  22  Fikambanana 18 amin' io teny io
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  24 Randzavola: henatra ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  25 henatra, 26 hetrana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09