|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Fo mitohy |
| Singan-teny | 2 fo, 3 mitohy |
| Sokajin-teny | 4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 5 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
6 Rabearivelo Jean-Joseph |
| Lahatsiratra manontolo |
7 [CR] 8 Toa lisy maina, toa raozy malazo, 9 Misento fa ory sy manina anao, 10 Mariry tsy fantatra. Angaha voninkazo? 11 Asa, tsy fantatra hatramin'izao. 12 Miofo ny loko, malazo ny taho, 13 Toa zary bozaka, tsy lisy intsony. 14 Tsy hehy na tsiky fa feo mitalaho, 15 Toa rivo-baratra tsy mba mitony 16 Miova ho fatana izany masoandro, 17 Ny rivotra koa manjary mamono: 18 Izany no fiainana maizina antoandro 19 Manolo-poizina izay mila ronono 20 Ny lira madinika, mozikan'Edena: 21 Izany tsy re, izany tsy misy; 22 Tsaroana fa singany irery ny tena, 23 Tsaroana fa bozaka ilay tsy mba lisy. 24 Ry vorona ery! Ry rivo-mandalo! 25 Andeha mba ilazao ilay tiana sy tia 26 Fa ketraka hoe ka tena mimalo 27 Ilay tsy eo anilany lavitra aty. |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/13 |
|