Entrée fihavanana (havana)
Partie du discours nom
Explications en malgache Fiombonana an-tsaina sy fo ary fanahy izay tsy voatery ho eo amin' ny olona manana rohim-pifandraisana araka ny ra ihany fa na dia eo amin' ny samy hafa fianakaviana sy fihaviana aza. Fifankatiavana lalim-paka nifamatoran' ny mpiaramonina teo anivon' ny ankohonana, fianakaviana, namana sy tapaka ary fokonolona: Tandrovy mandrakariva ny fihavanana fa ny maty aza te ho maro ~ Ny fitia mifamaly no mahatsara fihavanana [1.62]
Explications en anglais Blood relationship; friendship, comradeship [1.7]
Explications en français Lien de parenté [1.54]
 Parenté de sang; amitié, bonnes relations [1.8]
Exemples 
1Vao mitsidi-doha ny fihavanana, dia tapahin-doha ny havana! [2.528]
2Ny fitandroana ny fihavanana no endri-panabeazana voalohany. [2.606]
3Fa izahay tsy hivezovezo fa ny fihavanana tokoa no nalehanay. [2.366]
Mots composés 
Proverbes 

Anagrammes 

Mis à jour le 2023/01/20