|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  fandaingana
Fototeny  2 lainga
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Tsy filazana ny marina mba hamitahana olona: Zava-dratsy ny fandaingana fa hoy ny Ntaolo: Aleo mifanena amin' ny mpamosavy toy izay mifanena amin' ny mpandainga
5 Fahadisoan' ny mizana izay mahatonga azy hilaza lanja ratsy: Tsy anerany izany fandaingan' ity mizananao [1.1]

Teny iditra (2/2)6  fandaingana
Fototeny  7 lainga
Sokajin-teny  8  anarana
Fanazavàna teny malagasy  9 Ilay lempona kely eo amin' ny takolaka ambanimbany izay hita miseho tsara rehefa mitsiky [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 A dimple on the face, a dimple in the cheeks when laughing. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  11 petit enfoncement sur la joue, fossette [1.3#145]
Ohatra  12  Mahafatifaty avokoa ny eny aminy, na ny fitopin' ny masony mibaliaka, na ny fiampokampoky ny volony matevina, na ny fihifitrifitry ny fandaingana eo amin' ny takolany, na ny filantolanton' ny tanany. [2.357#]
13  Na ny mpampianatra ahy, na ny mpiara-monina amiko, indrindra ireo niray ankohonana tamiko, dia tsy nisy nahatahiry hatezerana tamiko, raha vao mahita ny fandaingana teo amin' ny takolako sy ny fisahondrahondran' ny voloko misaritaka. [2.529#]
Voambolana  14  Haiaina

Fivaditsoratra  fandaingana, 15 fidanganana

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12