|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  ariary
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Anaran' ny vola izay nataon' ny Malagasy ho venty na fototry ny volany fahizay, ka ny sandany dia 4,80 frs tany aloha ary 5,00frs taty aoriandriana. Ny ariary no novakina ka nahazoana ny vola madinika na vakim-bola rehetra: ny 1/2: loso; ny 1/3: sasanangy; ny 1/4: kirobo; ny 1/6: venty / ny 1/8: sikajy; ny 1/72: eranambatry. Matetika no hafohezina ho ary fotsiny ny teny hoe ariary raha miaraka amin' ireto teny ireto: zato, folo, sivy, valo, fito, enina, dimy, efatra, telo, roa: Ary zato, ary folo..., mitovy amin' ny hoe: ariary zato, ariary folo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a dollar; usually used of cut money. [Ar. al-rial, from Sp. Real.; Swa. reale.] See farantsa. [1.2]
5 a "dollar", five francs [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 une "piastre", cinq francs [1.8]
Voambolana  7  Toe-karena: ara-bola ary fitantanana
Kamban-teny rehetra  8 voamena maniho ariary
Ohabolana  9  Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  10  Soratra misy io teny io

Teny iditra (2/4)11  ariary
Sokajin-teny  12  anarana
Fanazavàna teny frantsay  13 nom d'une espèce de cordages, haubans. [Tankarana] [1.19]
Voambolana  14  Fifamoivoizan-tsambo

Teny iditra (3/4)15  ariary
Sokajin-teny  16  anarana
Fanazavàna teny malagasy  17 velarana [Betsimisaraka] [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  18 surface [1.78]

Teny iditra (4/4)19  ariary
Sokajin-teny  20  mpampiankin-teny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  21 manodidina [Taimoro] [1.78]

Fivaditsoratra  22 ariary, 23 rairay, 24 riaria

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17