|
|
|
|

Teny iditra 1  vetson' ny razana
Singan-teny  2 vetso, 3 razana
Sokajin-teny  4  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6 Rasamuel Maurice
Lahatsiratra manontolo  7 
8  Midona ny oran' Ankaratra,
9  Vaky tsipelana ny eny Anjafy.
10  Maitso manombana ny eny Andringitra,
11  Manjombonjombona Ambohimanoa;

12  Maizimaizina toa malahelo
13  Irony rahona eny an-tampon' Imanga;
14  Manjombonjombona ny zava-boahary
15  Ka tsaroana ireo havan-dasa;
16  Fa isika olombelona

17  Tsy fo vato fa embona,
18  Ka manembona ireo efa lasa:
19  Tsy mihinana voamanadino,
20  Fa misotro voamahatsiahy,
21  Ka velon-tsento mazàna,

22  Fa mahatsiahy ireo efa nafoy.
23  Mipatrapatraka ny oram-baventy
24  Ka mipotrapotraka ny ranomaso,
25  Fa ny don' oran' Ankaratra.
26  Toa fingadon' Ikaky sy Ineny;

27  Ny kotrok' oran' Ankaratra,
28  Toa feon' ireo efa nafoy
29  Ka manaitra ny fo malahelo,
30  Izay nisaraka tamin-dranomaso.
31  Ny tadio mitambolina raha lohataona

32  No fiverin' ny ambiroan' ny maty;
33  Fa ny kotroka mingodona ren' ny lavitra
34  No fitsidiny raha fahavaratra (...)
35  Inona no zava-mangidy?
36  Ka ny laingolaingom-paraky:

37  Ary inona no zava-mafaitra?
38  Ka ny laingolaingon' amberivatry.
39  Kanefa tsy ny laingolaingom-paraky no mangidy.
40  Ary tsy ny laingolaingon' amberivatry no mafaitra,
41  Fa ny mamoy havan-tiana

42  Sy ny mandevina olo-malala (...)
43  Irony vero erý ambony fasana
44  Milenodenoka mora malazo.
45  Matsoraka mora mipika;
46  Rehefa midaboka dia mora lo.

47  Toy izany isika olombelona
48  Fa izany no fomban' ny tany.
49  Irony hazo erý an-tsisim-pasana
50  Ny tahony, tahon-tsaramanga.
51  Ny raviny soa pelapelaka.

52  Ny voany voamahatsiahy.
53  Koa tsarovy izay efa voalaza ;
54  Mamoiza izay manana ny maty.
55  Fa ity tany ity famoiza-malala:
56  Ny maty tsy mba miverina,

57  Na miverina aza tadio
58  Ary na hita aza dia nofy!
59  Koa mahaiza manonon-tena.
60  Ataovy tahaka ny hanin' omby
61  Ka sady minià no miraoka.

62  Namoy havan-tiana ve tsy hitomany!
63  Fa toy ny rahona ny ranomaso,
64  Ka rehefa mavesatra izy mirotsaka:
65  Kanefa andalano ny ranomaso.
66  Toy ny hahazan-kitay ny alahelo

67  Ka ahaverezana isaka ny mandanona:
68  Toy ny vary an-tsompitra
69  Ka ahafahana tsikelikely isan' andro.
70  Fa raha izany no mitotohitra.
71  Tsy mahavanon-ko olona no farany.

72  Fa maharatsy ny fahoriana.
73  Koa sikino ny saina, onony ny alahelo
74  Fa ny ranomaso tsy mahatana aina,
75  Ny singambolo tsy mahafehy faty,
76  Ny vola tsy mahavidy aina (...)

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/18