|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 tafatoetra |
| Fototeny | 2 toetra |
| Sokajin-teny | 3 matoanteny mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
4 qui s'est placé, qui s'est assis
[1.3] |
| Ohatra |
5 Taona betsaka taoriana izany, nony efa tafatoetra tsara ny fanjaka' ny, dia nihevitra hamely ny tompon-tany izy.
[2.48]
|
| Teny iditra (2/2) | 6 Tafatoetra |
| Singan-teny | 7 tafatoetra |
| Sokajin-teny | 8 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 9 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
10 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Lahatsiratra manontolo |
11 12 Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany, 13 Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany! 14 Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko 15 Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko … 16 Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay … 17 Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay 18 No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa 19 Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa? 20 Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina; 21 Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina 22 Fa mampita hazavana mampionona fanahy … 23 Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka; 24 Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka 25 Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy! |
| Fivaditsoratra | Tafatoetra, tafatoetra |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21 |
|