|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  manidy
Fototeny  2 hidy
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Manao izay tsy hahafahan' ny varavarana, vavahady, hidin-drano..., mivoha: Nanidy varavarana tamin' ny karetsaka izy dia lasa natory
5 Misakana na mandrara tsy hahazoana mandeha: Misy didy manidy ny lalana miankandrefana fa misy areti-mifindra, hono, any [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6 fermer à clef, avec un verrou, avec une barre, mettre sous clef, enfermer dans la maison, interdire un passage [1.3#244]
Ohatra  7  ary raha mitsipika am-baravarana, halainay rehefa manidy trano; [2.654#]
8  Isaky ny tsinana ny volana dia hoatra ny romotra izy, ka manidy trano avokoa izahay rehetra. [2.499#]
9  Ny efitrano ipetrahako mantsy ambony rihana, ny tompon-trano, no ao ambany ary izy no mamoha sy manidy ny varavarana fidirana. [2.4#]
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :

Teny iditra (2/2)14  mañidy
Sokajin-teny  15  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  16 mampiseho ny andrianify [Taisaka] [1.78]

Fivaditsoratra  17 andimy, 18 dimany, 19 dimina, 20 madiñy, 21 manidy, mañidy, 22 midìna, midina, 23 minday

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17