|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Madagasikara tanindrazanay |
| Singan-teny | 2 Madagasikara, 3 tany, 4 razana |
| Sokajin-teny | 5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
6 Hiran' ny MDRM, 1946. Tonony : Jacques Emma Rahamefy. Feony : Rahamefison
[3.1] |
| Voambolana | 7 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
8 Tonony: Rahamefy Jacques Emma. Feony: Rahamefison |
| Lahatsoratra |
9 |
| Lahatsiratra manontolo |
10 11 I 12 Madagasikara tanindrazanay! 13 Tany saro-bidy masina sy soa; 14 Lova soa navelan' ny razanay taloha; 15 Maty ho anao no tena lazanay. 16 II 17 Isika rehetra izao akanga miara-dia 18 Tsy azo tabaina na ravana koa; 19 Ka hitomban-dahy hiasa re satria 20 Io no loharano fototry ny soa. 21 III 22 Malagasy ô, andeha hifankatia; 23 Ho mpirahalahy tena iray tam-po; 24 Ny hifankahala hatao sanatria. 25 Ka iray tokoa ny saina sy ny fo. 26 Isan' andininy 27 Mitsangàna ry tanora ! 28 Mitsangàna ka aza manana ahiahy; 29 Izao no andro sady ora, 30 Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy. 31 |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08 |
|