Entrée loholona (loha, olona)
Partie du discours nom
Définition malgache (tokony ho loh' olona no fanoratana azy nefa efa raikitra mihitsy ny manambatra azy ho teny iray) olona lehibe efa mato-tsaina, tsara toetra eo amin' ny tany ama-monina, mahatoky ary hendry amin' ny fanaovan-draharaha sy amin' ny fitondrana olona, ka to teny sy hajaina eo amin' ny tanàna sy ny fokonolona. Ny tena anjara toerany dia ny mitarika ny fivoriana fiaraha-mihevitra ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pokonolona, ny mandrindra sy mandamina y fifanolanana eo amin' ny fianakaviana na ny mpiray fileovana, ny mitarika ny adidy amana asa fanasoavam-bahoaka, na ny momba ny vola izany na ny asa-tena atao... [Ravelojaona 1937]
 Fitambaran' ireo lehibe mpikarakara (izay atao koa hoe Ray aman-dreny) ao amin' ny fokonolona na fiangonana [Rajemisa 1985]
 fitambaran'ireo zokiolona to teny eo amin'ny fokonolona [SLP 1986]
Traduction française patriarche, sages du village, notables
¶ sénateur [SLP 1986]
Vocabulaire 
Exemples 
1Ny ray aman-dreny sy ny loholona no tompon'adidy amin'ny. [Rasamuel: Zanakantitra]
2Isam-bohitra koa anefa dia nisy vadintany sy loholona nitondra ny Fokonolona. [Fagereng: Tantara]
3Izahay ihany, hoy ilay letrezana izay fantany tsara fa an'ny loholona tao an tanàna. [Rapatsalahy: Kintana]
Citations 
Articles 

Mis à jour le 2020/07/31