Entrée kenda
Partie du discours adjectif
Explications en malgache Misy zavatra mibahana ao anaty tenda ka manjary sempotra tsy afa-miaina: Kendam-bomanga i Lita kely ka nivontirika ny voamasony
¶ Voageja, voatery mafy, voafihina ny tenda: Kenda aho fa vahao ny bokotry ny vozon' akanjoko
¶ Enti-milaza zavatra, fantsona na lakan-drano, izay tsentsina na tampina ka tsy mamela handeha izay asisika na alefa ao anatiny: Kenda ny basy ka tsy mety mandeha ny fahana [Rajemisa 1985]
Explications en anglais choked, throttled [Hallanger 1973]
Explications en français étranglé [Abinal 1888 page 322, Hallanger 1974]
 serré au cou, obstrué, se dit du gosier, des canaux, des fusils, des tuyaux, des tubes [Abinal 1888 page 322]
Dérivations 
Mots composés, titres, noms 
Exemples 
1Tompoko, hoy i Fandrava tamin'ny feo efa kenda. [Rapatsalahy: Kintana, page 191]
2Niantso vonjeo aho kanefa tsy naloa-peo fa kenda. [Randriamiadanarivo: Sikajy, page 169]
3Kendan’ ny taolana aho (Je suis étranglé par un os) [Abinal 1888, page 322]
4Kendan' ny vozon' akanjo aho (Je suis étranglé par le collet de la chemise) [Abinal 1888, page 322]
5Kenda ny basy ka tsy mety mandeha fahana (La charge du fusil est trop serrée et il ne veut pas partir) [Abinal 1888, page 322]
Citations 

Mis à jour le 2021/03/20