|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Ilay vavy antitra! |
| Singan-teny | 2 ilay, 3 vavy, 4 antitra |
| Sokajin-teny | 5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 6 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
7 Rakotoson Emeralda |
| Lahatsiratra manontolo |
8 9 ... dia hitako izy irery 10 manjohizohy moana, 11 iny amoron-kady iny 12 ka manara-kodimirana 13 hatreny am-parataza-maso, 14 mihovitrovitry ny hatsiaka 15 efa lozan-tany ery, 16 izato nofo efa trotraky 17 ny vanin’andro niainany. 18 Hontsa azy aho, 19 ka nantsoiko 20 tam-panahiko: 21 Ndeha ho aiza izato ianao 22 hoy aho, sombintsombiny, 23 no mirezareza valaka 24 sy manjokozoko mora 25 amin-damba latsaka ila 26 ety an-tsisin-dalana, 27 ka miraoka ireto bozaka 28 ny loholambanao 29 izay efa rota nitafiana sy 30 natsifaky ny ela? 31 Natsikiny ahy ny masony 32 ao anaty very maso 33 efa vizaky ny hanina 34 ka nabanjiny ahy mangina 35 sy miresaka any anatiny 36 ka mitafa am-panahy 37 ao anaty velovelony! 38 Tsapako avy hatrany 39 fa hamonjy taninandro 40 etsy ambody goavy maina 41 fara taza-masoandro 42 mba hitafy ankilahila 43 ito nofo izay miketrona 44 feno sarisarim-piainana! 45 Nakimpiko ny masoko 46 nivetso an’eritreritra 47 ka namisavisa irery 48 ity sari-Nanahary 49 tsy ho vita hoso-doko 50 eny an-tanan’ny mpahay 51 raha tany koa ny tany. |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|