|
|
|
|

Teny iditra1 Ilay reny tsy miteny
Singan-teny  2ilay, 3reny, 4tsy, 5miteny
Sokajin-teny  6 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8Eliza Freda
Lahatsiratra manontolo  9 Ao ambany
10 Dongon-tany,
11 Ao anaty
12 Vatam-paty,
13 Misy Reny
14 Tsy miteny
15 Hatry ny ela
16 No tavela ...

17 Reny tiana
18 Nitosiana
19 'Lay nitondra
20 Fo diamondra!
21 Fo malala
22 Tsy mba niala;
23 Niara-paly
24 Sy nijaly!

25 Fony izaho
26 Maitso taho,
27 Raozin'aina
28 Nolalaina ...
29 Fony mbola
30 Niangola,
31 Nisakafo
32 Safosafo!

33 Tambitamby
34 Manana amby;
35 Rotsirotsy
36 Volafotsy;
37 Mamikely
38 Toa tantely:
39 Samy vita.
40 Samy hita ...

41 Ndrisy anefa.
42 Fa nilefa ...
43 Nofy ihany
44 Mantsy izany;
45 Torotoro
46 'Lay nijoro!
47 Voninkazo
48 Ka nandazo!

49 Taolambalo
50 Mampimalo
51 No mba sisa
52 Voatanisa ...
53 Hodi-tava
54 Ravarava
55 No mba hany
56 Tratra tany ...

57 Very toky
58 'Zao ny zoky!
59 Folaka andry
60 'Reto zandry,
61 Diso angoty
62 Fa kamboty!
63 Vao maraina
64 Dia nangaina!

65 Eny ho eny,
66 Misy reny;
67 Toa tsy hafa
68 Raha mitafa;
69 Hoatra an'iny
70 'Lay fahiny,
71 Saingy ts'izy!
72 Dray! rankizy.

73 'Zany foko
74 Mitoloko ...
75 Feno loatra
76 Ka mandroatra;
77 Manin-dreny
78 Mba hiteny,
79 Manontany
80 'Zay nombany.

81 Hono lahy,
82 Ry fanahy:
83 Mba tsinjovy
84 Ka tsarovy;
85 Aiza ho aiza
86 'Lay nitaiza?
87 Aiza indrindra
88 No nifindra?

89 Fa maniry
90 Te-hikiry
91 'Tony saina
92 Noratraina ...
93 N'aiza tany
94 Niantefany,
95 Any aho
96 No apetraho!

97 O! ry Neny,
98 'Zao no teny,
99 Ka raiketo
100 Farany eto:
101 'Zaho akory
102 Tsy ho ory,
103 Mana-mpiahy
104 Sy mpitahy!

105 'Lay modely
106 Fahakely,
107 Tsy mba foana
108 Fa tsaroana!
109 'Reo anjara
110 Voatantara
111 Sarobidy
112 Ka tadidy!

113 Tsy mba vola
114 Mora tola
115 No sahaza
116 Ho an-jaza;
117 Fahendrena
118 'Zay nomena,
119 Io no lova
120 Tsy mba miova !

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13