|
|
|
|

Teny iditra1  hozatra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 (Misy manao hoe ozatra , satria ny teny Malay niaviany dia urat;
4 anefa ny misy h no efa raikitra ho teny malagasy, manaraka ny lalàn' ny
5 fanakanbanan-teny. Ohatra: aretin-kozatra fa tsy aretin' ozatra,
6 mitsangan-kozatra fa tsy mitsangan' ozatra, ets.
7 Ary ny matoanteny hoe manozatra (fa tsy mankozatra) dia iray tarika amin' ny hoe
8 manolatra (holatra ) fa tsy mankolatra),
9 manelatra (helatra ) fa tsy mankelatra), ets. ... [1.10#H.314]
10 Teny nentin' ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby:
11 1) Karaza-nofo mitsiratsiraka toa tady kely izay mitambatra am-pehezany amin' ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Mivonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela
12 2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin' ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (ohatra ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin' ny kiho)
13 3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy.
14 4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin' ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangovitra ohatra io [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  15 comme ozatra [1.3#274]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  21  Haiaina
Tsipelina hafa  22 ozatra
Kamban-teny rehetra  23  Fikambanana 12 amin' io teny io
Ohabolana  24  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17